airtel

Sosialy

05-juil-2022

Sosialy

Manjakaray IIB Nahazo fanampiana ireo may trano

Sample post image

Nanampy ireo Fianakaviana may trano tao amin’ny fokontany Manjakaray IIB sy ireo mpianatra miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpanabe azy ireo tao amin’ny EPP Ivandry noho ny famaranana ny fankalazana iray volan’ny

05-juil-2022

ankizy ny filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-V, Hanitriniala Raholdina, ny faran’ny herinandro lasa teo, hoy ny fampitam-baovao. Tao amin’ny EPP Ivandry no namaranan’ity fikambanana ity ny fakalazana ny volana jona ka araka ny filamatry ny fikambanana manao hoe “Aza manao kely tsy mba mamindro” no nanolorany “Gourde”, “classeur”, vatomamy, sokola, biskoitra sy maro hafa ho an’ireo ankizy an-jatony ary fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na PPN toy ny vary, menaka, “macaroni” ho an’ireo ray aman-dreniny avy. Tsy diso anjara ihany koa ireo mpampianatra sy mpandrandraharaha teo anivon’ny sekoly . Nanampy ireo fianakaviana may trano tao amin’ny Fokontany Manjakaray IIB ihany koa ity fikambanana tarihin’ny filohany, Hanitriniala Raholdina, sy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina vadiny, ary ny ekipany ity ka nanolotra tafo fanitso am-polony, “bois rond”, “planche”, “bois carré” an-jatony ary fantsika sy maro hafa mba hahafahany mipetraka avy hatrany sy miverina amin’ny fiainany an-davan’andro indray ankoatra ny fanampiana fitaovana ilaina andavanandro toy ny sio sy koveta. Tsy adinony ihany koa ny nanome fanampiana ara-bola. Ny manampy ny tena sahirana araka izay tratry ny heriny no tanjon’ny fikambanana mba hahavonjy ny vahoaka sahirana eny amin’ny Boriboritany fahadimy, indrindra, amin’izao faha 15 taona nijoroany ara-panjakana izao raha efa ho 20 taona mahery no nanaovan’izy mivady izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap