Mikatroka amin’ny fanaovana tefy mandehandeha na tefy « mobile » izy …
Miainga vao maraina i Mario, tsy misakafo fa mivantana mitety tanàna miaraka amin’ny fitaovana fiasany. Mikaroka elo simba ho amboarina, vilany ho tampenana, ary asa kely hafa izay afaka anaovany tefy. Amin’ny hariva vao tafaverina an-trano izy, mahandro sakafo arakaraka izay vola azo ny tontolo andro. Indraindray tsy mahazo na inona na inona akory, fa mbola manantena sy mino fa rahampitso indray hisy vintana vaovao. Mahavita hatrany amin’ny 20 km isan’andro i Mario, mitety tanàna maro toa an’i Ambatobe, 67Ha, Analamahitsy, Sabotsy Namehana, sy ireo manodidina. Ny vola azo dia zara raha ampy ho an’ny sakafo sy ny hofan-trano. Noho ny fitadiavana, dia tsy maintsy miaritra sy manohy hatrany, ka tsy mody any Ambatolampy raha tsy hoe misy marary any an-tanana.
Amin’izao, hoy Mario, dia tsy manana safidy hafa izy fa manohy hatrany ny asa fanefena. Efa an-taonany maro no nanaovany izany ka dia miezaka fifaliana amin’ny asa, manohitra ny hakiviana, satria izay no fiainana.
Tia Tanindrazana
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy