ny sisin-tany. Ny zoma lasa teo dia teratany Malagasy miisa 11 no saron’ny zandary tao kaomina Maromandia distirika Analalava izay efa tao anatin’ny lakana hihazo ireo nosy Kaomoro. Avy amin’ny faritra maro ireo olona tratra hande an-tsokosoko ireo ao ny avy Ambanja, Antsiranana, Analalava, Mahajanga, ary Nosy be. Raha ny fantatra tamin’ireo olona 11 tratran’ny zandary dia ny vehivavy no ankamaroan’ireo hikasa hivoka ny sisin-dranomasina Madagasikara an-tsokosoko. Nosamborina avokoa izy 11 mianadahy ireo izay atao famotorana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao antoerana nahatratrarana azy ireo. Tsy maintsy atolotra ny fitsarana izy ireo aoariana ny famotorana. Anisany nahazo vahana ity fivoahana tsy ara-dalana any ivelany amin’ny alalan’ny fandehanana ny sambo haingam-pandeha. Efa betsaka anefa ireo olona niampita no maty teny ambony ny ranomasina. Mampanotany tena ny tsirairay ity fifindra-monina tsy ara-dalàna amin’ny firenana iray ity. Ny tsy fahazakana ny fasahirana misy amin’izao eto antanindrazana sy ny za-misy ankehitriny ve mahatonga ny olona maro mitsoha-ponena sa inona. Raha ny fanadiahdina nato dia ny faritra Boeny sy Diana no tena ahitana ireo olona mandeha mivoka ny sisin-tany antsokosoko. Mila hamafisina ny fanara-maso ny sisin-dranomasina Madagasikara satria efa betsaka ireo efa tafavoka any amin’ireo nosy rahavavy.
Tolin
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona