airtel

Sosialy

21-juil-2021

Sosialy

MCI – vidim-piainana “Maniry toy ny anana ny mpijirika”

Sample post image

Tao anatin’ny 4 volana nisesy, ankoatry ny tao aorian’ilay “operation vidin’entana” izay tsy nahomby niarahana tamin’ny minisitera tompon’andraikitra dia mbola gaga sy talanjona izahay

21-juil-2021

 fa vao miha miakatra tsy tana intsony ny vidim-piainana, hoy ny avy eo anivon’ny hetsika fanoherana ny fidangan’ny vidim-piainana na MCI. Tsy nitsahatra nanara-maso nidina ifotony nijery ny anton’izany izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo. Tsy nitsahatra nanolotra vahaolana koa izahay nefa ny mampalahelo dia tsy misy mihitsy ny finiavan’ny tomponandraikitra hanatanteraha ireo vinavina neritreretina nampidinana izay vidim-piainana izay, indrindra, ireo filana an-davan-andro toy ny vary sy menaka. 700 ariary ny atody. Misintona ny sain’ny mpanjifa koa izahay mba handray andraikitra tsy hanaiky hividy izany. anaty 3 volana ve dia misy fiakarana 300 ariary be izao? Aza miteny mihitsy isika hoe ny lalana no antony. Ny solika koa io mbola tsy miakatra ny vidiny. Misy manararaotra ao ary mbola hitenenanay ny minisitera tomponandraikitra foana mba hijery ireo mpijirika be dia be maniry toy ny anana ireo, hoy hatrany ny MCI.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap