FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera, hoy ny fanambaran’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy Anjanahary omaly ny tian’ny fanjakana atao. Raha niteny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny filoham-pirenena hoe 250.000 Ariary ny karama farany ambany dia rehefa navoaka ny didim-panjakana mikasika an’io dia nazavaina tamin’izay hoe karama farany ambany raisina isam-bolana. Rehefa nivoaka ny didim-pitondrana nolazaina ho fampiharana azy dia hoe karama farany ambany ho an’ity taona 2022 ity ihany indray ilay izy. Rehefa jerena tsara io dia hoe tsy alefan’ny mpampiasa any amin’ny CNaPS intsony izany ilay 13% avy aminy fa alefa any amin’ny mpiasa. Ny an’ny mpiasa ihany izany no hamenoan’ny fanjakana ilay 250.000 Ariary. Hidina 217.000 Ariary indray izany ilay karama amin’ny taom-baovao. Tsy rariny izany. Isan-telo volana ny fandoavana latsak’emboka ao amin’ny CNaPS. Efa lasany izany ny may hatramin’ny septambra. Nametra-panontaniana tamin’ny mpampiasa izahay hoe ahoana no hahazoan’ny mpiasa fampahatsiahivana na “rappel” fa tsy nahazo valiny. Ahiana tsy hisitraka an’io izany ny mpiasa malagasy. Mbola ho sarotra ho an’ny mpampiasa koa tsinona ny hitaky an’iny any amin’ny CNaPS avy eo. Miantso ny fanjakana izahay dieny izao hoe tsy tokony hisy karama midina izany. Miantso ny fanjakana hanamora ny fifampiresahana izahay. Tokony efa hisy fifampiresahana amin’ity volana ity ho an’ny fisondrotan-karama 2023. Aprily any no mahazatra antsika vao misy didim-panjakana mivoaka dia may vao misitraka fisondrotan-karama ilay mpiasa. Ny vidim-piainana nefa miakatra. Miteraka fikorontanana eo amin’ny fitantanana ny tokantrano tsirairay ny fidinan’ny karama. Tokony harenina dieny izao io, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona