airtel

Sosialy

10-juin-2024

Miaraka amin'ny fanohanana

ara-teknika avy amin'ny OMS,

Sample post image

ny USAID dia hanampy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara hampitombo

10-juin-2024

ny fifantohana amin'ny filàna tolotra ara-pahasalamana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Masoivoho Amerikanina. Dingana voalohany ny atrikasa momba ny fahasalaman-tsaina natao ny 6-7 jona teo. Fihaonambem-pirenena voalohany mampivondrona mpandray anjara maherin'ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola io. Mikendry ny hampiroborobo ny fahatakarana ny tontolon'ny fahasalaman-tsaina eto Madagasikara, hamantarana ireo fanamby lehibe, ary hamolavola paikady sy hetsika laharam-pahamehana. Hitondra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fahasalaman-tsaina ireo mpandray anjara. I Madagasikara, tahaka ny firenena maro, dia miady amin'ny tolotra ara-pahasalamana voafetra, ny tsy fahampian'ny manam-pahaizana manokana, ny tsy fahampian'ny fiofanana momba ny fahasalamana fototra, ary ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola. Nanasongadina ny filana fomba fiasa mivelatra kokoa amin'ny fahasalaman-tsaina, manantitrantitra ny fanohanana ara-tsaina, manatsara ny fahaiza-miady amin'ny adin-tsaina, mampiroborobo ny fanohanan'ny mpiara-miombon’antoka, ary mampiroborobo ny faharetana sy ny fitomboana amin'ny alàlan'ny fandehanana mihoatra ny modely ara-pitsaboana nentim-paharazana ny fihaonambem-pirenena. Amin’ny alalan’ny tetikasa CERF ho fiatrehana ny haintany, ny OMS dia nanome fikarakarana ara-pahasalamana sy fitsaboana ho an'ny olona voan'ny fahasembanana tamin'ny taon-dasa, tany Atsimon’ny Madagasikara ary manohy manitatra ny ezaka ataony amin'ny fanomezana toro-hevitra ara-tsaina bebe kokoa. “Tsy maintsy ho laharam-pahamehana ho an'ny faritra samihafa eto amin'ny firenena ny fananana tolotra neurolojia sy tobim-pahasalamana bebe kokoa amin'ny taona ho avy. (…) Noho ny fanoloran-tenan’ny tsirairay dia hiarahantsika miatrika ny toe-pahasalamana manjaka eto Madagasikara sy miatrika ny olan’ny fahasalamam-bahoaka any ambanivohitra mba hisian’ny fahasalamana tsara ho an’ny rehetra, ka tsy hisy ho tavela intsony”. Hoy ny nambaran’i Dr. Laurent Musango , Solontena Maharitry ny OMS eto Madagasikara. Namolavola ny paikady momba ny fahasalaman-tsaina voalohany ny USAID ary nanendry Mpandrindra Iraisampirenena ho an’ny Fahasalaman-tsaina, Dr Jerome Galea, izay nivahiny teto Madagasikara nandritra ity hetsika ity. "Eto anivon’ny USAID, mino izahay fa tena ilaina amin'ny sehatra rehetra amin'ny fampandrosoana sy ny fanampiana maha-olona ny fahasalaman-tsaina sy ny fanohanana ara-tsaina”, hoy ny Dr. Galea.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap