airtel

Sosialy

31-août-2026

MIARAMILA

MISOTRO RONONO Nivoaka ny volany,

Sample post image

neken'ny Filohan'ny Fanavaozana

31-août-2026

Nankatoavin''ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael ary efa nivoaka ny Complement d'indemnité d'installation ho an'ireo miaramila misotro ronono eto amintsika. Fantatra izany nandritra ny fanambarana nataon'ny solon-tenan'izy ireo ny Commandant Ndrianandraina Harimalala tamin'ny mpanao gazety ny faran'ny herinandro teo. Nanomboka tamin'ny taona 2003 ka hatramin'ny taona 2025 no fantatra fa nihantona tsy voaloha izany volan'ireo miaramila misotro ronono ireo izany. Nankasitraka feno ny Filohan'ny Fanavaozana ny tenany noho izany. Taona maro mantsy no nitakian'izy ireo izany complement d'indemnité izany. nandritra ireo Fitondrana 3 nifanesy teo aloha saingy izao Fitondrana izao irery ihany no mba namaly sy nihaino ny hetahetan'izy ireo. Miantso ireo miaramila misotro Ronono namany ny Commandant Ndrianandraina Harimalala noho izany, mba hivondrona ka hiara-haneho fisaorana ny Filohan'ny Fanavaozana. Zava-dehibe loatra izao fijereny manokana ny sosialin'ny miaramila misotro ronono eto Madagasikara izao hoy hatrany izy naneho ny hafaliany.
Pati
Légende : Ny commandant Ndrianandraina Herimalala !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Miantso ny olona tsy hatahotra

Card image cap
20-oct-2026

Namafisina fa tsy nahafeno

Card image cap
20-oct-2026

Notoloran’ny sendikan’ny

Card image cap