airtel

Sosialy

14-janv-2022

Sosialy

Midangana ny vidin-tsavony Velon-taraina ny mpanasa lamba

Sample post image

Tsy mitsaha-midangana ny vidin-tsavony eny an-tsena efa ho volana vitsivitsy izao. Savony novidiana 600 Ar telo volana lasa izay lasa vidiana 1300 Ar ankehitriny.

14-janv-2022

 Velon-taraina araka izany ny rehetra indrindra fa ireo mpanasa lamba. Zara raha misy ihany koa mantsy ny karaman'izy ireo amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Raha araka ny hita eny rehetra eny moa dia tsy ny vehivavy irery intsony no mivelona amin'ny asa sasa lamba amin'izao eto amintsika fa efa betsaka ny lehilahy vokatry ny tsy fisian'ny asa. Nomarihin'ireo mpivarotra savony moa fa 10 Ar raha betsaka ny tombony azon'izy ireo amin'ny savony iray noho izany tsy miankina amin'izy ireo velively ny fidangan'ny vidin-tsavony eny an-tsena.

Pati

Legende : lafo dia lafo ny vidin-tsavony eny an-tsena
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap