airtel

Sosialy

20-sept-2022

Sosialy

Midongy Atsimo Tsy manana vady hianteherana ny ankamaroan’ny vehivavy

Sample post image

Tena maro anaka, nefa tsy manana vady hianteherana hamelona azy ny ankamaroan’ireo vehivavy any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo.

20-sept-2022

Dimy raha kely ny zaza eo ambany fiahian’ny vehivavy iray, antony mampahazo vahana ny tsy fanjariantsakafo any amin’iny faritra iny. Raha araka ny fantatra anefa dia manana tany midadasika no sady mamokatra Midongy Atsimo . Noho izay fahasahiranan’ny mponina izay anefa dia tapitra hamidiny ny vokatra miakatra hany ka mahatratra 3 ka hatramin’ny efa-bolana izy ireo miaina anaty fahasahiranana ara-tsakafo isan-taona. Irony antsoina hoe : apalibe irony no hohanin’ny mponina izay mbola manta ihany koa, hoy ny vaovao. Ny voany no alainy amin’izany ary afangarony amin’ny rano sy sira dia izay hatrany no hohanina isan’andro. Raha tamin’ny taona 2020 fotsiny moa dia nahatratra 2,60% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo nahazo ireo mponina tao anatin’ity distrika ity izay azo lazaina ho ambany ihany saingy ratsy kokoa ny fisehony. Mikasika ireo vehivavy bevohoka ao Midongy Atsimo ihany koa moa dia fantatra fa kamo manatona tobim-pitsaboana izy ireo amin’ny ankapobeny hany ka vao mainka miteraka tsy fahasalamana eo amin’ny mponina izany.
Pati
Legende : Mahazo vahana ny tsy fanjariantsakafo ao Midongy Atsimo
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap