airtel

Sosialy

08-nov-2021

Sosialy

Mifoha ny tetikasa «Bioéthanol» Ny coronavirus no sakana tamin’ny 2019, hono…

Sample post image

Tongasoa teto an-taindrazana omaly 07 novambra maraina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, rehefa avy nanatrika ny « COP 26 »

08-nov-2021

 na ny fivoriambe iraisam-pirenena mikasika ny toetr’andro andiany faha-26 tany Glasgow Ecosse. Fihaonana lehibe sy nahomby satria nahafahany nitondra ny feon'ny Malagasy manoloana ireo olana sy zava-tsarotra isan-karazany, lalovana sy sedraintsika manoloana ny fiovaovan'ny toetr’andro. Fotoana ihany koa nihaonany tamin'ireo Mpitondra firenena lehibe sy fikambanana iraisam-pirenena maro niresahany mikasika ireo karazana fiaraha-miasa sy vahaolana hamahana izany, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika. Isan’ny noresahin-dRajoelina tany amin’ny COP 26 moa ny antso avo hanetsehana ny famatsiam-bola 100miliara dolara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, niresaka fa mila 100 tapitrisa dolara i Madagasikara ho an’ny tetikasa « biéthanol» ahafahan’ny Malagasy misitraka izany. Hanohy ny firosoana amin'ny fampiasana ireo angovo maintso toy ny “Bioéthanol” i Madagascar. Namafisin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany tao anatin'ny lahateniny nandritry ny COP26. Tao amin’ny tambajotran’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia nambara fa efa nanomboka ny fametrahana indostria mpamokatra izany izay voatery niato noho ny fihibohana nandritry ny hamehana ara-pahasalamana. Hojeren'ny fanjakana ihany koa izay ahafahana manamaivana ny fahazoan'ny tokantrano mividy ilay fatana ampiasaina amin'ny “bioéthanol”, hoy ny Fanjakana. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa ny 8 martsa 2019 no nampahafantaran-dRtoa Mialy Rajoelina ny fanombohan’ny fananganana ozinina ara-indostrialy mpamokatra ethanol tany Ambilobe, ary nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019 izany. Efa nisy hamehana noho ny coronavirus ve teto ny 2019 ? Tsy misy hidiran’ny hamehana izany, saingy any no hanilihana ny tsy fahaizana sy ny tsy fahombiazana mba tsy hilazana hoe fampanantenana poakaty. Rehefa halalinina dia ny vona nenti-nanana no tsy ampy na tsy nisy fa ny fampanantenana sy ny sehoseho no lasa aloha. Ka tsy hanaovana io tetikasa io no nangatahana 100 tapitrisa dolara tany amin’ny COP26? Dia tsy menatra mihitsy ve milaza fa noho ny hamehana no tsy nampandeha ny tetikasa? Rahoviana vao mba hanana ilay antsoina hoe: “honnêteté intellectuelle” na fahintsiana amin’ny zavatra atao e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap