ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra hanao fitokonana. Ny CNAPMAD moa no miantsoroka ny fanontana ny laza adina sy ny taratasim-panadinana ara-panjakana sy taratasy samihafa ho an’ny fanabeazam-pirenena,… Vola manodidina ny 600 tapitrisa tamin’ny fikarakarana ny laza adina tamin’ny 2019-2020 sy 2020-2021 no tsy naloan’ny Fanjakana, kanefa sady karama io no fampiodinana ny orinasa, hoy ireo mpiasa. Tamin’ny volana aprily no nandray karama farany ireo mpiasa miisa 90 eo. Nilaza izy ireo fa efa nampanantenaina, saingy mbola tsy misy fanatanterahana. Tsy nahafa-po ny fihaonana samihafa natao tamin’ny tompon’andraikitra. Nolazaina fa hampihaonina amin’ny minisitry ny fanabeazana ny herinandro teo, saingy tapitra ihany ny herinandro tsy nisy,…. « Mijaly izahay fa tsy misy mijery ny zonay », « tsy mianatra ny zanakay kanefa mba ao anatin’ny Minisiteran’ny fanabeazana », « ny namanay misy maty », « ny sakafo efa tapa-kibo », « efa mandeha tongotra »,… hoy ireo mpiasan’ny CNAPMAD, izay naneho ny fitakiany tamin’ny alalan’ny sora-baventy omaly. Hatreto, mandeha any am-piasana izy ireo fa tsy mandray ny asa, miato avokoa ny fiandrasan-draharaha. Tsy vao izao no nisy ny fitokonana teo anivon’ny CNAPMAD, fa tany amin’ny febroary 2020 dia efa nisy izany, nangotraka ny fitakiana tany amin’ny volana aogositra 2020 ary tamin’izany fotoana izany dia voalaza fa tsy naloan’ny Fanjakana ny vola 950 tapitrisa saran’ny fanaovana printy ny fanadinam-panjakana ho an’ny taona 2019, tonga hatrany amin’ny fisiana mpiasa voalaza fa namoy ny ainy satria tapaka hatramin’ny “Ostie” noho ny latsakemboka tsy naloan’ny orinasa,… Toa nivaha ny olana avy eo saingy io mifoha io. Anatin’ny 6 volana ve tsy mandray karama dia rariny kanefa ny Lehiben’ny governemantantsika mba Fonksionera iraisam-pirenena niandraikitra ny O.I.T (Organisation Internationale de Travail) ihany teo aloha? Ny volana janoary ny fanomanana ny fanadinana manaraka, ka mitaky ny fandoavana ny karama ireo mpiasa, izay nilaza fa tsy misy azon’izy ireo atao, raha tsy misy vola izy ireo mialohan’izany. Aiza ilay tenin’ny Praiminisitra fa “tsy marina ny filazana fa tsy manam-bola isika”? Sa dia mbola hoboriboriana amin’ilay hoe: tsy amin’ny alalan’ny grevy no hanerana ny Fanjakana hamoaka vola ?
Toky R
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.