airtel

Sosialy

24-mai-2022

Sosialy

Mikorapaka ny fitondrana Te hiady mafy amin’ny fanondranan'olona

Sample post image

Nanaitra ary niteraka adihevitra ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny amin’ny fanamafisana ny fepetra ho an’ireo olona handeha hivoaka an’i Madagasikara. “Mandalo any amin'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy”

24-mai-2022

Ho fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpila ravin’ahitra any ivelany (mpiasa manana andraikitra ambony, mpiasa tsotra, mpiasa an-trano, tanora tovovavy mpanampy), sy ireo mpiasa mpifindra monina mikasa handao ny tanin’ny Malagasy, dia nambara fa tsy maintsy hanarahana ireto dingana manaraka ireto: maka ny fahazoan-dalana (visa) nosoniavin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any amin’ny tany haleha mialoha ny hanatanterahana ny fifanarahana arak’asa; Mandalo any amin'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy ; Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa any amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sôsialy ahazoana ny fankatoavana izany; Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa sy ny tapakilan’ny fiaramanidina any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny;Manatanteraka mialoha ny fisoratana anarana kaonsilary any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Tsy maintsy vita 15 andro mialohan’ny hiaingana ireo dingana rehetra voalaza ireo. Noraisina izany fepetra izany mba hiarovana azy ireo amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko miantraika amin’ny filaminan’ny Firenena, hoy ny Minisiter

“ny fananana herijika handeha hiasa sy hivelona any ivelany anefa vao mainka hasarotina”
Eo ny làlan-tsaina hoenti-miady ny fanondranana olona antsokosoko, saingy miteraka kiana ihany koa io hoe: ny famoronana asa eto efa tsizarizary, ny fananana herijika handeha hiasa sy hivelona any ivelany anefa vao mainka hasarotina,… Ireo mpiasa makany amin’ny tany Arabo no heverina fa isan’ny tena kendrena amin’io satria mety tsy voafehy intsony ireo “Agence de placement” ka fepetra faobe no noraisin’ny Fanjakana. Etsy andaniny ihany koa anefa mety nahazo teny mafy tany amin’ny iraisam-pirenena ho efa lasa paradisan'ny trafika mihitsy i Madagasikara: vatosoa, volamena, olona,… Isan’ny mipaingotra antsika matetika amin’ny fanondranana olona ny Amerikanina. Manezakezaka fa te hahazo famatsiam-bola mafy. ,… Tena misy tokoa ny fanondranana olona mivantana sy ankolaka ary fiondranana tsy mazava avy eto. Ireny olona tsy hita popoka sasany ireny mety efa tafiditra ao anatin’izany. Te haneho fa manadio satria saika ratsy avokoa ny naoty amin’ny Demokrasia satria nihemotra, ny resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety very toerana 41 ary mihazakazaka mamonjy ny rambony.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap