airtel

Sosialy

06-janv-2023

Sosialy

Mimenomenona ny tantsaha any Andilamena Noferan’ny Fanjakana ho 700Ar ny kapoakan’ny vary

Sample post image

Nisy ny naoty laharana 03-2023-DIST/AND/AG mitondra ny datin’ny omaly 05 janoary 2023 navoakan’ny Prefektioran’Ambatondrazaka-Distrikan’Andilamena mametra ny vidim-bary.

06-janv-2023

Niainga tamin’ny fivoriana tao amin’ny Biraon’ny Distrika niarahan’ireo tompon’andraikitra sy ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny vary natao omaly ihany io, raha ny voarakitra ao anatin’ilay naoty. Voalaza ao anatin’izany fa ferana ho 1650 Ar ny vidin’ny vary akotry 1kg alaina any amin’ireo mpamongady; 80Ar ny mitoto ny 1kg ; ary amidy 700Ar ny kapoaka eny amin’ny mpanjifa eny an-tsena. Tsy misy mpanelanelana, izay mividy ary mivarotra vao alefa eny an-tsena izay antony mampiakatra ka manahirana ny mpanjifa izany fihetsika izany, hoy ity naoty ity. Voasoratra noho izany fa vidina ny fary any amin’ny mpamongady amin’io vidiny voalaza etsy ambony io, ary tonga dia alefa eny an-tsena. Nisy ny fampitandremana ireo ambara fa mety ho alaim-panahy hampiasa kapoaka hosoka satria mahavoasazy. Hisy noho izany ny fitsirihana tampoka hanaraha-maso ny feepetra voalazan’ny naoty naparitaka, ary mihatra avy hatrany manomboka ny 09 janoary 2023. Eo ny hoe: fitsinjovana ny vahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fanararaotana izay betsaka no faly sy nisaotra tamin’ny fanapahan-kevitra, fa maro ihany koa ny tsy faly amin’io. Tokony hisy, hoy ireo tantsaha, ny fepetra raisina na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe: “mesure d’accompagnement” fa tsy teren-ko masaka fotsiny satria misy masonkarena io kanefa terena hamidy mora. Ny deshormone 25000Ar/L, ny ody biby 50000 Ar/L, ny karaman’ny mpiasa,… kanefa tsy misy fepetra noraisin’ny Fanjakana manoloana izany. Ny solika nidangana nanomboka tamin’ny jolay 2022 nampiakatra be ny mason-karenan’ny fambolena kanefa tsy mba misy vahaolana nentin’ny mpitondra, ny ambioka lafo, ny fitaovana lafo, ny vidim-piainana midangana,… kanefa ny vokatry ny tantsaha terena hamidy mora tsy mba misy fepetra sy tohana mifandraika amin’ny fanapahan-kevitra. Ny vary hamidy 700Ar ny kapoaka kanefa ny siramamy vidiana 1400Ar ny 1/4kg, hoy ny tantsaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap