airtel

Sosialy

25-mars-2022

Sosialy

Minisiteran’ny mponina « Tokony hifanaraka amin’ny vola miditra ny zaza ateraka »

Sample post image

13 taona dia efa misy miteraka ireo vehivavy eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny faritra. Ankoatra izay dia misy ireo mahatratra hatrany amin’ny 6 ny zaza ateraky nefa tsy mifanaraka

25-mars-2022

 amin’izay akory ny vola miditra ao an-tokantrano. Ho an’ireo sokajin’olona sahirankirana raha araka ny fanadihadiana natao dia zary lasa karazan’ny fialam-bolin’izy ireo mihitsy ny fanaovana firaisana ara-nofo. Tsy misy afa-tsy ny eo am-pandriana mantsy no hiarahana hoy ny Renim-pianakaviana iray rehefa reraky ny fitadiavana hanin-ko hanina iny. Vokany, mitombo isa andro aman’alina ny zaza Malagasy. Nirotsaka an-tsehatra nanao fanentanana mifandraika amin’izany omaly ny Minisiteran’ny mponina notarihin'ny Minisitra Soafilira Princia, notronin'ireo solombavam-bahoaka sy ireo manampahefana ao amin'ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.Fikambanam-behivavy miisa 50 nahitana ireo vehivavy mpilalao baolina lavalava, mpanasa lamba ary ireo vehivavy marefo ara-pivelomana eto an-drenivohitra miisa 2.200 no nanaovana fanentanana tamin’izany narahana fizarana fanampiana ara-tsakafo, fitaovana ho an'olona manana fahasembanana sy fitaovana fanasana lamba. Anisan’ny politika apetraky ny Minisiteran’ny mponina moa manomboka izao ny hanofana ireo vehivavy mba hananan’izy ireny asa fivelomana maharitra hanampiany ny vadiny. Nampahafantariny omaly ihany koa moa ny fisian’ilay fikambanam-behivavy Miavotse izay azon’ny Renim-pianakaviana rehetra idirana hahafahana manome tanana azy ireny.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap