Manoloana, nisy ny fanambarana mandiso izany nataon’ny minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond, nontronin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ ny Fiompiana sy ny Filohan’ny Codex alimentarus eto Madagasikara sady solontenan’ny avy ao amin’ny DSV (Direction des Services Vétérinaires). Navoitra tamin’izany fa, misy ny fitiliana ny fahamarinan’ny fahasalaman’ny hena ataon’ireo Véterinaire Inspecteur alohan’ny hiakarany eny ambony ankalana. Marihina amin’ny alalan’ny “estampille” izany na ilay marika mangamanga hita amin’ny hena. Zo feno sy andraikitry ny mpanjifa no mijery sy mitaky ny fisian’izany marika izany na koa misava ny boky firakentana manambara fa voatsara ara-dalana ny hena amidy, hoy ny fanamarihana. Nohazavaina ihany koa fa ny fividianana « Formol » dia tsy maintsy misy taratasy mazava na “sous-ordonnance” na “prescription médicale” fa tsy azon’ny rehetra vidina toy ny karazam-panafody sasany. Fantatra amin’ny fofona mahery sy manaikitra ao anatiny izay tena sarotra afaka na dia kely aza no ampiasaina, ka noho izany dia azon’ny mpajifa atao tsara ny manamarina ny hena vidiana raha misy tokoa sanatria ny manao izany zavatra tsy mety izany, hoy ny toromarika. Nohamafisina fa mbola misy ihany koa ny fitsidihina ataon’ny « Vétérinaire inspecteur de contrôle » na efa eny ambony latabatra aza ny hena, ary eny an-dalana ny fiara mpitatitra hena dia mandalo fitsirihan’ny zandarimaria, hanamarinana fa ireo hena taterina dia niainga tao amin’ny toerana famonoana ary nandalo fitiliana ara-dalana. Nilaza noho izany ny Minisitera, fa azo lazaina ho fanakorontanana sy fampihorohoroana saim-bahoaka ny fanamparitahana vaovao tsy mari-pototra amin’ny tambajotran-tserasera, ary famotehana ny tontolon’ny toe-karena eny ambanivohitra ka tsy azo ekena, hoy ny Minisitra lefitra. Misy noho izany ny fanentanana ny rehetra mba hanantona ny tompon’andraikitra mahefa raha misy zavatra mampiahiahy, mialohan’ny hanaparitahana vaovao tsy marim-pototra.
Toky R
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona