ny mba handraisan’ireo fepetra eo anatrehan’ny fanararaotana amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao. « Tsy tokony hisy tobin-tsolika mihoatra ny vidiny izay noferan’ny Fanjakana. Mila arahi-maso ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra hoe : niakatra ny solika dia hampiakatra ny vidin’entana hihoampampana. Tombotsoam-bahoaka no jerena, ka tsy tokony hifanararaotra. Hampiharina ny sazy eo anatrehan’ny fanararaotana », hoy ny toromarika avy amin’io minisitra io. Mila jerena akaiky ireo manafina solika tsy ara-dalàna mety ataon’olon-tsotra na mpandraharaha, na koa ny orinasan-tsolika manafina ny tahiry avy eo mampiakatra. Atao izany mba hialana amin’ny fanararaotana ary tokony hahay hifampitsinjo ao anatin’ny fahasarotana raha ny toromarik’io minisitra io.
Toky R
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy