airtel

Sosialy

25-janv-2021

Sosialy

Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana “Volana martsa vao ho hita ny fihenan’ny voka-bary”

Sample post image

« 𝐀𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚,

25-janv-2021

 

 

 

𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐬𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐢𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐡�� 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧𝐧𝐲 𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐡𝐨𝐞 𝐡𝐢𝐡𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐢𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐛𝐚𝐫𝐲 », hoy ny Ministry ny fambolena, fiompiana ary ny jono (MAEP) Atoa Lucien Ranarivelo, nandritra ny fitsidihana nataony tao amin’ny ivon-toerana CGard, ny faran’ny herinandro teo. Ny fahataran’ny rotsak’orana dia misy fiantraikany tokoa amin’ny fambolena vary aloha, ary maro ireo toerana eto anivon-tany no tsy nahavita fambolena. Mbola afaka manantena anefa isika, hoy ny Minisitra, fa raha misy rano sy orana tsara, dia ho azo atao ny manetsa hatramin’ny tapaky ny volana febroary. Ny sampan-draharaha famantarana ny toetr’andro rahateo dia naminavina fa ho betsaka noho ny isan-taona ny rotsak’orana amin’io volana febroary sy martsa io. « Raha androany dia mbola tsy afaka miteny isika hoe tena ho sahirana ara-bary satria fotoana mbola ahafahana manetsa sy anenjehana ny fahataràna izao », hoy hatrany ny Minisitra. Ny MAEP moa dia efa manomana sahady ny « contre-saison » hanarenana ny mety ho fahavoazana. Vonona noho izany ny Ministera hanohana ireo mpamboly eto afovoan-tany izay hanao voly avotra miatomboka ny volana martsa ka hampanaraka azy ireo ny fepetra ara-teknika. Marihina fa tsy manerana ny Nosy izany olana fahataràn’ny rotsak’orana izany. Ny taon-tsary nalaina avy amin'ny zanabolana narahana fidinana ifotony nataon’ny ivon-toerana C Gard dia manamarina fa misy faritra sivy, anisan’izany i Menabe sy i Atsimo Andrefana, izay afaka namboly sy efa miaka-bokatra ka afaka hamatsy tsara ny faritra hafa. Marina fa misy ny fahavoazana, hoy ny Minisitra, fa tsy izany akory no taratry ny fambolem-bary eto Madagasikara sy mety ho taratry ny voka-bary amin’ity taom-pamokarana ity.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap