airtel

Sosialy

28-juin-2022

Sosialy

Minisitry ny jono “Bakteria tamin’ny sokatra efa maty no mamono olona”

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fihinanana ilay henan-tsoka-dranomasina antsoina hoe : Fanohara tany amin’ny kaominina ambanivohitra Volobe, distrikan’i Morondava.

28-juin-2022

Tafakatra 10 izy ireo hatramin’ny omaly ka zaza amam-behivavy no betsaka. Raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny jono dia ahiana ho noho ny bakteria tamin'ilay hena-tsokatra izay efa maty andro maromaro talohan’ny nihinanana azy no nitarika ilay fanapoizinana sy ny fahafatesan'olona tahaka izao. Nohamafisiny araka izany ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo marary izay mbola mahatratra 140 isa ankehitriny ary samy mbola tazonina ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morondava avokoa. Mbola maimaimpoana hatrany moa ny fandraisana an-tanana azy ireo hoy ny vaovao. Ny 24 jona lasa teo raha tsiahivina no niseho ity fahapoizinana ara-tsakafo ity ka fanina, nandoa ary nivalana avokoa ireo olona lasibatra rehetra, antony tsy nahatazonan’ny sasany ny ainy intsony.


Tsara ho marihana fa efa mpitranga isan-taona ity fihinana fano mahafaty olona ity, ka mila hamafisina sy atao hentitra kokoa angamba ny fepetra fanarahamaso sy indrindra fa ny fanentanana ny olona amin’ny toerana misy azy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Ministry ny Jono sy ny toeekarena manga Mahatante Paubert, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap