Na izany aza manana ranomamy ihany koa isika eto Madagasikara toy ny lakan-dranon’i Pangalana raha araka ny tafa nifanaovan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga tamin’ny mpanao gazety omaly. Fantatra fa hanatsara ny fomba fiasany hatrany izy ireo. Taorian’ny nananganana ilay komity handrindra ny asa fampandrosoana momba ny resaka jono sy ny toe-karena manga eto amintsika dia nisy indray ny dinika sy fametrahana paikady niarahan’ny roa tonta omaly. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fomba fiasa amin’ny endriny rehetra entina hanatsara ny toe-karena eto amintsika. Hapetraka araka izany ny paikady nasionaly. Toraka izany koa ny politika nasionaly amin’ny fitantanana ny rano raha efa mandeha ny fanetrahana ny drafi-panajariana mifandraika amin’izany eto Madagasikara. Tsy hijanona eto amin’ny faritra Analamanga ihany moa ity komity ity fa ezahina haparitaka manerana ny Nosy mihitsy.
Pati
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.