airtel

Sosialy

31-août-2021

Ministeran’ny varotra sy fanjifana “Tsy tokony hihoatra ny 2000Ar

kg ny vary nafarana”

Sample post image

Mitohy hatrany ny fandrindrana ny famatsiana ny tsena anatiny ho fiarovana ny mpanjifa, hoy ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

31-août-2021

 Nihaona tamin'ny fikambanan'ny mpanafatra vary avy any Toamasina ny Ministra Edgard Razafindravahy omaly 30 aogositra maraina teny Ambohidahy ho fandaminana ny famatsiana ny vary izay foto-tsakafon'ny Malagasy. Araka ny fanazavana, 400.000 taonina hatramin'ny 500.000 taonina ny banga tsy maintsy ho fenoina amin'ny fanafarana. Tsikaritra fa efa misy fidinany ihany ny vidim-bary eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Noho izany, tsy tokony hihoatra ny 2000 ariary ny vary hafarana tonga eo amin'ny tsena anatiny, hoy ny Minisitera. Betsaka ny resaka an-databatra momba ity fifehezana ny vidim-piainana ity, saingy miandry ny fahatanterahany mba tena hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra. Tsiahivina, fa ny herinandro lasa teo no nilaza ny Fanjakana fa hametra ny vidin’entana izay hihatra manomboka amin’io volana septambra higadona afaka ora vitsy io. Tsy tokony hihoatra ny 6000 ariary ny litatra amin’ny « huile de palme » antsinjarany. 7500 ariary kosa ny litatry ny menaka amin’ny tavoahangy ho an’ny “huile de soja” raha tsy hihoatra ny 7000 ariary ny litatra amin'ny “en vrac”. Ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao; ny lafarinina tsy hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao, ny vary tsy hihoatra ny 2300 ariary ny iray kilao. Mihatra amin’ny entana vokarina eto an-toerana io. Andrasana ny fivoahan’ny peta-drindrina eny amin’ny mpivarotra sy ny fahatanterahan’ny fampanantenana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap