airtel

Sosialy

01-déc-2022

Sosialy

Miondrana hiasa atsy Maorisy Tratra ilay atidoha mpitaky 2 tapitrisa ariary

Sample post image

Lehilahy iray mpisoloky milaza fa afaka mandefa olona hiasa atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy no voasambotry ny Polisin'ny Cybercriminalité ny 27 novambra lasa teo.

01-déc-2022

Olona efa am-polony maro no nangalan'ity lehilahy ity sy ny tambazotran-jiolahy misy azy vola mba ho fikarakarana ny fandehanan'izy ireo hiasa any Maorisy. Rehefa voasoloky tamin’ny resaka fandehanana hiasa any ivelany ny vehivavy iray dia tojo namana nanome soso-kevitra fa misy olona matotra afaka mikarakara amin’ny fandehanana hiasa any Maurice. Nifandray tao anaty tambazotran-tserasera facebook izy sy ny tombon’andraikitra amin’io asa any Maorisy io ary nihafara tamin’ny fihaonana rehefa nipetraka ny fifampitokisana. Nanambara ary ilay voalaza fa mpikarakara fa tena misy tokoa io asa any Maurice io saingy mitady olona hatrany amin’ny 12 any izy ireo amin’ilay fandehanana voalohany. Rehefa niresaka tamin’ny vadiny ilay Ramatoa momba izany toe-javatra izany dia nisy ny fitadiavana olona maromaro ary saika mpiray fihaviana tamin’izy ireo tany amin’ny faritra SAVA no namaly ny antso satria izy ireo dia efa ela ihany koa no nitady asa hivoaka any ivelany. Nampandoavina vola eo amin’ny 2 000 000 Ar tsirairay izy ireo ary noho izy ireo avy lavitra dia nampiantranoan’ilay mpikarakara teto Antananarivo mandra-piandry ny fahavitan’ny pasipaoro sy ny antotan-taratasy rehetra. Nihemotra hatrany anefa ny fandehanana raha saika tamin’ny faran'ny volana oktobra teo no vinavina. Nisy 04 tamin’ireo efa nandoa vola no tezitra ary tsy nanaiky ka voatery tsy maintsy izy mivady no nanolo ny volan’izy ireo satria izy ireo no nanafatra azy avy any alavitra. Taty aoriana, isaky ny manontany ny mpikarakara anefa izy ireo dia fandrirarirana hatrany no azony ka nanapa-kevitra ny hitory ny sasantsasany. Araka ny fantatra ihany koa dia efa lasa any Maorisy ny iray amin’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ary voalaza fa hanomana ny fandraisana azy ireo any no antony nandehanany mialoha. Rehefa nahafantatra ary ilay voalaza fa mpikarakara fa nitory azy ny sasantsasany tamin’ireo olona ireo dia nifindra trano izy ary ireo izay hitany fa mbola nanana fitokisana taminy no nentiny nanaraka azy. Tratra ihany anefa izy taty aoriana ary fantatra fa tsy misy akory ilay asa nampanantenaina ary tsy mbola nisy ny fikarakarana antontan-taratasy koa. Ny vola efa azon’izy ireo kosa dia efa mitentina 24 tapitrisa Ar eo ho eo ka ny ampahany amin’izany vola izany dia nikarakarana ny fandehanan’ny iray tamin’izy ireo tany Maorisy ary ny ambiny kosa dia nifampizarana ary efa nampiasain’izy ireo. Rehefa nanao fikarohana ny polisy dia tratra ny iray tamin’ireo mpisoloky ireo ary efa natolotra ny fitsarana. Ireo namany hafa kosa dia mbola karohina hatramin’izao.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap