airtel

Sosialy

13-juil-2022

Sosialy

Miray feo ireo mpivarotra “Tsy misy ambakainao amin’ny SMGD izany eto e ! »

Sample post image

Vaky ny ady eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra manerana ireo tsena 30 ara-dalàna eto amintsika.

13-juil-2022

Samy tsy misy manaiky ny hitantanan’ny SMGD ny tsena avokoa mantsy izy ireo, fanapahan-kevitra izay hiraisan’ny rehetra ary nanaovany fanambarana tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambaran’ny solontenan’izy ireo nandritra izany fa ny SMGD mihitsy no tsy mety amin’izy ireo. Ny kaominina ihany no aoka hitantana ny tsena hoy ireo mpivarotra fa tsy omena olon-kafa. Tsy fantatra mazava intsony mantsy amin’izy ireo ny ao ambadik’ity SMGD ity. Raha araka ny feo mandeha tonga any am-poto-tsofin’ireo mpivarotra mantsy dia horaisin’ity SMGD ity ny 60%-n’ny vola azo avy amin’ny tsena raha an’ny kaominina kosa ny 40%. Misy ihany koa ireo milaza hoy hatrany ireo mpivarotra fa 40% sy 40% no azon’ny SMDG ary tsy fantatra izay lalan’ilay 10% ambiny. Nabaribariny omaly ihany koa fa sary namboarina iny navoakan’ny kaominina tamin’ny tambazotran-tserasera iny fa tsy mpivarotra ara-dalàna eto Antananarivo renivohitra izany. Sary namboarina hoy izy ireo mba handresena lahatra anay mpivarotra nefa vao mainka mahasorena anay satria feno lainga. Nanamafy araka izany ireo mpivarotra ireo fa mahira-tsaina tsara ka tsy tokony ambakaina. Fehiny, tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hisian’ny SMGD izy ireo na dia efa nanazava aza ny Ben’ny tananan’Antananarivo fa digitalisation no hatao hampisy ny mangarahara amin’ny fitantanana.
Pati
Legende : Ireo mpivarotra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Railovy Analakely
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap