airtel

Sosialy

15-janv-2021

Sosialy

Mitaraina ny eny Ambohimirary Tafiakatra 2000Ar ny rano iray “bidon”

Sample post image

Paompy 5 sy toeram-panasana lamba iray no eto aminay, tsy misy mandeha na

15-janv-2021

 

 

atoandro na alina, hoy ny solontenam-pokolonona eny Ambohimirary omaly. Voatery mitady rano amina toeran-kafa toa an’i Nanisana, Ankadindramamy,… hatrany Ankerana, hany ka tafiakatra 1000Ar hatramin’ny 2000Ar ny vidin’ny rano iray zerikanina mavo 20L. Mba mangataka ny tompon’andraikitra mba hijery an’izany, hoy ireo mponina. Tao anatin’ny 5 herinandro tsy nandeha mihitsy, ary alina izao mba nandeha kely saingy adin’ny telo monja, hoy ny mpiandry paompy iray eny an-toerana. Mijaly izahay, maina tsy misy intsony, ka mba jereo, isan’andro miandry vasoka matory amin’io “ciment” ve io mihitsy, kanefa dia tsy misy rano mandeha, hoy hatrany izy ireo.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap