Raha ora roa no mody niantombohan’izany vantany vao tapitra ny lalaon’ny Nosy dia efa mahatratra ora fito amin’izao. Ho an’iny faritra Atsimondrano toa an’i Fenoarivo sy Itaosy iny ohatra dia mahatratra adin’ny valo isan’andro izany raha kely ary amin’ny ora tena ilain’ny mponina azy mihitsy no tapaka rajiro. Efa reraka ny fitohanana avy any am-piasana ny mpiasa sy ny mpianatra mbola tsenain’ny delestazy indray. Labozia no hianarana hamerenan-desona sy hikarakarana sakafo. Mbola labozia ihany koa no hisasana ao amin’ny toerana fidiovana…. arahin’ny fikarohana akanjo hanaovana ny ampitso ao anaty armoara. Tena sahirana ny tokantrano Malagasy. Ny faktioran’ny JIRAMA aloha isam-bolana anefa eo an-daniny tsy mihena fa vao mainka mitombo. Ny tena mampalahelo amin’ity delestazy lavareny ity dia toa manome vahana ireo mpanao ratsy izany. Vao amin’ny 04 ora hariva dia efa milanja antsy mandehandeha eny amin’ny arabe ny mpanendaka toy ny zava-nisy nitranga teny Andohatapenaka andro vitsy lasa izay. Tsy latsa-danja amin’izany ny zava-misy isaky ny elakelantrano izay feno mpifoka rongony. Efa lasa mpanendaka sy mpanolana ihany koa mantsy izy ireny vokatry ny tsy fisian’ny asa sy ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny ka tsy manana fiainana milamina intsony Ramalagasy.
Pati
Legende : Lasibatra tanteraka ireo olona mivelona amin’ny asa mila herinaratra !
Nigadona tao Ambatondrazaka ny alarobia 12 febroary 2025 teo ny « Riz importé »