airtel

Sosialy

29-juil-2021

Sosialy

Mpanjifa Malagasy Miha miverina mankafy ny vita Malagasy

Sample post image

Mampahafantatra sy mampisongadina ny vita Malagasy amin’ny alalan’ny sary amin’ireo kojakoja an-dakozia vita Malagasy izahay, hoy ny Art tsara Malagasy,

29-juil-2021

nandritry ny hetsika “Kaly malagasy maha salama” tetsy Antaninarenina omaly. Amin’ny alalan’ny fanaingona sary ireo fitaovana fampiasa an-dakozia sy fampiasa ao an-tokan-trano no hanatontosanay izany, hoy ny tomponandraikitr’izy ireo, Yasimbola Faramalala, satria misy tena mahay sary isika Malagasy fa mbola tsy be mpahafantatra. Somary lafo ny vita Malagasy satria sahirana isika eo amin’ny fitadiavana akora ampiasaina, hoy izy. Misy fotoana mila manafatra. Rehefa voatery mamorona akora no tena sahirana satria mbola hafa koa, raha ho anay izao, ny dingana arahana mandoko ireo zavakantonay. Na izany dia efa ezahanay ny mikaroka ny fomba moramora kokoa hahafahan’ny rehetra manjifa ny vita Malagasy. Hita ho be mpankafy ny vita Malagasy ary miverina ao anatin’izany mihitsy isika Malagasy satria miha mivoatra ny hatsaran’ilay izy. Miha tsara koa ny kalitao. Miha mafy sy afaka mifaninana amin’ny any ivelany fa tsy toy ny taloha hoe “vita gasy”. 3 taona izao no nidiranay tanatin’ity sehatra ary enjana taminay mpanao asa tanana Malagasy ny ahamehana ara-pahasalamana satria manana fiaraha-miasa any ivelany izahay saingy mikatona ny sisintany. Niato, noho izany, ny fanondranana. Hita ho manana hoavy tsara sy mampiavaka antsika na izany aza, hoy hatrany izy ireo, ny vita Malagasy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap