airtel

Sosialy

07-juin-2021

Sosialy

Mpanjono Malagasy miisa 4 Natosiky ny andro ratsy hatrany Kaomoro

Sample post image

Ny 17 mey teo no niainga tao Nosy Be ny 4 mirahalahy ireto nikasa hanjono, raha ny fampitam-baovao voaray.

07-juin-2021

 

 

 

Sendra ny andro ratsy teny ambony ranomasina anefa izy ireo ka natolaky ny rivotra any Anjouan, Kaomoro. Ny 30 mey teo no hitan'ny mpitandro filaminana tany an-toerana izy ireo ary salama tsara. Noraisin'ny fanjakana kaomorianina an-tanana ary mikarakara azy ireo ihany koa ny fikambanana malagasy any an-toerana, raha ny vaovao voaray hatrany. Napetraka amina toerana iray fa tsy notanana am-ponja, hoy ny fanamarihana. Misy polisy manara-maso kosa. Ireo Malagasy any Anjouan no manome sakafo azy ireo. Maniry ny hamerenana an-tanindrazana azy indray, noho izany, ireto mpanjono ireto, satria sahirana rehefa tojo zava-tsarotra tahaka izao. Hisy sambo avy any an-toerana hivantana ao Nosy Be amin'ny tapa-bolana ka hampiarahana amin'io izy efa-dahy. Tombonjoro Tomy, Richard, Andrianjara Christian ary Fenolahy moa no anaran’izy ireo, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap