airtel

Sosialy

11-juin-2024

Mpatory an-dalana

Mitombo isa isan’andro

Sample post image

Mitombo isa isan’andro ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra.

11-juin-2024

Manomboka amin’ny 06 ora hariva any ho any no tena ahitana taratra izany raha toraka izany ihany koa ny maraina manomboka amin’ny 05 ora sy sasany eo ho eo. Mbola betsaka amin’izy ireny mantsy no resin-tory ka tsy mifoha eo amin’ny toerana misy azy raha tsy amin’ny 06 ora sy sasany any ho any. Mahavita miady amin’ireo mpiandry taxibe vao maraina mihitsy izy ireo noho izany. Ankoatra ilay abris bus ambany izay efa bahanany mantsy dia hampatorian’izy ireo ny menaky ny ainy sy hametrahany entana ihany koa ny seza tokony hipetrahan’iretsy voalohany. Anosy, Anosibe, Tsaralalana, Analakely, Ambodin’Isotry….no toerana tena ahitana azy ireo. Ankoatra izay dia tsy lavitra ilay toerana hitobiany ihany koa izy ireo no manao maloto. Ho an’ny eny Anosibe manokana dia miara-matory amin’ny omby mihitsy ireo mpatory an-dalana izay manorina trano sachet eny anelanelan’ireo arabe miisa telo fandehanan’ny fiara. Efa noravain’ny kaominina Antananarivo renivohitra ihany koa ankamaroan’ireo trano sachet ireo saingy raha vantany vao hariva ny andro dia miverina ihany ireo mpatory an-dalana. Tsiahivina moa fa vokatry ny fahantrana sy ny tsy fahaloavana hofantrano avokoa no mahatonga izany. Tsy ho an’Antananarivo irery ihany no ahitana izany fa toraka izany ihany koa ny ao Fianarantsoa tampon-tanana ka zaza amam-behivavy ary zokiolona ny ankamaroan’izy ireny.
Pati
Legende : Feno mpatory an-dalana tahaka izao eto an-drenivohitra sy ao Fianarantsoa !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap