airtel

Sosialy

26-janv-2021

Sosialy

Mpianatry ny INSCAE Nanampy zaza kamboty sy sahirana miisa 300

Sample post image

Miditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-

26-janv-2021

 

 

 


pivelomanana ireo mpianatra mandala ny taranja "comportement de manager" na toetoetran'ny olona mpitarika sy mpitantana, izany hoe haifitarihina, eo anivon'ny sampam-pampianarana ambony tsy miankina INSCAE omaly. Nisantaran’izy ireo izany fanohanana izany ireo zaza kamboty sy sahirana teny amin’ny Akany Fitahiantsoa, Ankorondrano. Nisy ny fanomezana fiofanana amin'ny resaka fandraharahana ho an'ireo mpitantana ny akany, ary fanomezana fitaovan-dakozia sy Lafaoro mba afahan'ny Akany mamokatra sakafo hamidy. Tanjona ny ahafahan'ity Akany ity mampitombo ny vola miditra ao aminy, hikarakarana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana manodidina ny 300 isa ao an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana. Lalan-tsaina entin'ireto mpianatry ny INSCAE ireto ny ahafahan'ny Akany miodina amin’ny alalan'ny vola ampidirina fa tsy hitavandra fanampiana foana. Miara-miasa amin’ny ministeran'ny mponina sy ny orinasa tsy miankina Tsirisoa kosa izy ireo ho fanatontosana ity tetikasa antsoina hoe "Avotr'Akany" ity. Mbola hitohy amin’ny sehatra sosialy hafa ny tetikasa ary amin'ny maha mpianatra eo amin’ny resaka fitantanana sy fitarihana dia tafiditra ao anatin'ireo fianarana sy ny fiofanan'ireto mpianatra ireto ny firotsahana an-tsehatra tahaka izao, hoy ny fanamarihan’izy ireo.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap