airtel

Sosialy

26-janv-2021

Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Aoka tsy hanaiky atao marionety, hoy ny MCI

Sample post image

Tafiakatra misesy ary tsy voafehy intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara,

26-janv-2021

 

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny hetsiky ny fanoherana izany na MCI. Isany ny vary izay foto-tsakafo sy ilain’ny Malagasy isan’andro. Raha nanome sosokevitra ny fanjakana foibe ny amin’ity fanafarana vary amidy mora ity dia hitantsika ary hitanay tamin’ny fidinana ifotony nataonay, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, fa tsy nampidina ny vidim-bary vokatra eto an-toerana, izay tsara kalitao sy be mpitia, izany fa vao miha nampiakatra azy. Tsy vahaolana izany ny fanafarana vary na ho amidy 200 ariary aza ny kapoaka satria tsy manara-penitra ny kalitao. Tsy tokony hahazo fahazoan-dalana ho amidy na “certificat de consommabilité” akory. Afaka midina mijery ny zava-misy ny minisitera fa tsy voafehy intsony ny fiakaran’ny vidim-bary. Tsy manan-danja ny dikan’izay ny vary nafarana. Apetrao amin’ny toerany ny sehatra tokony hikarakara ny resaka vary eto Madagasikara dia ny PCA izany. Tomponandraikitra voalohany amin’ny fikirakirana vary eto Madagasikara io vovonana io. Misy solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpamongady, mpamboly, mpandraharaha ao. Aoka isika mba samy hifanaja sy hahay hametraka ny toeran’ny tsirairay avy amin’ny asany ary isika mpiaro ny zon’ny mpanjifa koa aoka tsy hanaiky atao marionety, hoy hatrany ny MCI.

 

J. Mirija

 

 



Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap