airtel

Sosialy

18-juil-2022

Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Miaro ny mpanjifa marina ve sa bala rora fotsiny ?

Sample post image

Saika nanararaotra avokoa ireo fiara fitateram-bahoaka teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Sabotsy teo.

18-juil-2022

 Nampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar avokoa mantsy ny sasany tamin’izy ireo raha 600 Ar ihany fa tsy mihoatra izay no tapaka nandritra ny fihaonan’ny solontenan’ireo mpitatitra tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha andro maromaro lasa izay. Nambaran-dRabetsara Lita, mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa tsy tokony hataon’ireo mpitatitra fitaovana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana Bakalorea manomboka anio alatsinainy. Efa tena sahirana ny Raiamandreny hoy izy amin’ny fitadiavana dia mbola ampiana trotraka amin’ny fampiakarana saran-dalana indray izany. Raha misy hoy izy ny tsy mampety ilay 600 Ar dia mbola azo hatao tsara ny fifampiresahana aorian’ny fahavitan’io fanadinam-panjakana iray io. Ho an’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa sasany indray dia manentana ny mpandeha taxibe rehetra izy mba tsy hanomana afa-tsy 600 Ar any am-paosiny any. Mahaiza miray hina ianareo hoy izy ary tsy misy mety miala no sady tsy mivoaka na mimenomenona aza ny mpamily sy ny resevera. Notsiahivin’izy ireo mantsy fa io 600 Ar io no tenin’ny fanjakana tokony horaisina fa tsy izay fanapahan-kevitra kitoatoa hataon’ireo mpitatitra sasany. Samy namely tampoka avokoa moa ny ankamaron’ireo taxibe nampiakatra saran-dalana 800 Ar omaly fa tsy nisy nampiomana na nilaza mialoha. Anisan’izany ohatra ireo taxibe miazo an’Ambohimanambola. Ny miazo an’Ankadikely Ilafy.
MAHAVITA MIARO MARINA VE ?
Ny tena fanontaniana ao an-dohan’ny olona dia ny hoe : mahavita miaro ny mpanjifa marina ve ireto milaza fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay efa misy karazany 7 ? Tena miaro mpanjifa tokoa ve izy ireo sa mpampitony ny mpanjifa mba tsy hitroatra.Inona no afaka atao sy vita mba hamerenana ny saran-dalana ho 500 ariary ohatra na hampidinana ilay 800 ho 600 ariary.Maro ireo fanambarana sy faniriana saingy ilay antom-pisiana no tsy mazava tsara.toa na inona na inona mitranga dia ny mpanjifa foana no tsy maintsy tratra farany, ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa hita ho botrabotra sy mandimandina ery, miaka-dapa.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap