tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Mibizina amin’ny anaran’ny mpanjifa fotsiny ?

Nankaiza ry mpiaro ny zon'ny mpanjifa toa mangina tato ho ato sa vizaka mijery Mondial? Toa natao hampalazana tena sy hanaovana fitaovana hitadiavam-bola ny fitondrana ilay anarana mpiaro ny zon’ny mpanjifa rehefa tena dinihina.

23-nov-2022

Sample post image

Mandeha delestazy izay efa tena mampitoreo ny vahoaka, saingy mangina izy rehetra amin’ny ankapobeny ary ny olona isan’ny nimenomenona fatratra tamin’izany aza moa toa voky dia nipirina, hoy ny besinimaro. Natao fitaovana nahazoana seza ilay anarana dia mangina tanteraka. Ny sasany aza toa lasa mpiaro Fanjakana mihitsy tamin’ny resaka fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny resaka vidin’entana moa, dia nisy nanao fitadiavam-bola, toy ny hoe: “omeo 7 millions fmg dia alamina alamina ny mpanjifa”. Tamin’ny raharaha solika mitapoka, tsy nangina izy rehetra. Asa hoe: inona izany no ilàna an’izy ireo? Mialokaloka fotsiny ao ambadiky ny hoe: firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon’ny mpanjifa saingy toa mpibizina amin’ny anaran’ny mpanjifa no tena azo hamaritana ny ankamaroany. Na ireny resaka fitadiavam-bola niaro hafetsena ireny, tahaka ny ANTARES MACROPAULINE,… aza dia heverina fa tokony ho nisy fampanenoana lakolosy nataon’izy ireo. Ny Fanjakana moa tsy hita izay fandraisana andraikitra na Malagasy maro aza no voasoloky sy very vola. Asa hoe: olona any ambadiky ny Fanjakana ve no manao ireny ka dia vitavita ho azy teo fotsiny
? Toky R
 

Dans la même rubrique

Voir plus