airtel

Sosialy

25-avril-2022

Sosialy

Mpiasa any Nosy be, Ambanja, Ambilobe “Famerenana latsakemboka no mahazo ireo mitaraina”

Sample post image

Tsy hoe nangingina na natoritory ny Randrana sendikaly tao anatin’izay 1 volana nametrahana ny fitoriana mahakasika ny orinasa CNaPS izay,

25-avril-2022

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, fa nametraka tany amin’ireo faritra hoe ahoana no hanohizana ny tolona? Niresaka tamin’ireo mpiasa sy raiamandreny misotro ronono tany mihitsy izahay, hoy izy, momba ity tolona hamahana ny olana ara-tsosialy mifandray amin’ny raharaha CNaPS ity. Nisy fihaonana tamin’ny raiamandreny misotro ronono tany Toamasina, ny talem-paritry ny CNaPS tany Toamasina koa nihaonana ary nanontaniana hoe ahoana ny fomba fiasany eto amin’ny faritra Atsinanana ity? Nolazain-drizareo fa mitety orinasa foana isam-bolana rizareo. Ny mahagaga anefa dia mbola misy mpiasa mitaraina foana hoe misy latsakemboka tsy voaloa tamina taona sasany na 3 volana sasany. Mila tena araha-maso akaiky noho izany ity fitantanana ny volan’ny mpiasa ao amin’ny CNaPS ity. Nandefa iraka tany Nosy be, Ambanja, Ambilobe koa izahay satria mila itambarana ny tolona fa tsy vitan’ny eto Antananarivo irery ity tolona momba ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa mikambana ao amin’ny CNaPS ity. Enjana be raha ny zava-misy ao amin’ny faritr’I Diana fotsiny izao. Izay olona mitaraina rehetra dia lasa famerenana latsakemboka daholo na “remboursement” no omena azy satria hoe nisy latsakemboka tsy nalohan’ny orinasany. Ilay 1% koa anefa eo no naverina fa tsy ilay 14%. Izany no tena mampitaraina tany amin’iny faritr’I Nosy be, Ambanja, Ambilobe iny. Toy ny valala voatango tsy mahalala na inona na inona no sady mahazo vava be amin’ny mpiasan’ny CNaPS ireo mpiasa hatramin’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap