airtel

Sosialy

19-mai-2025

MPIASA MAMOY NY AINY AM-PERIN’ASA

Mahatratra 2.400 isan-taona eto Madagasikara

Sample post image

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

19-mai-2025

raha araka ny tarehimarika nivoaka tamin’ny taona 2019. Tafakatra 8.500 isan-taona izany manerantany izay misy olona iray mamoy ny ainy isaky ny 2 segaondra raha araka ny tatitry ny tetikasa iray miara-miasa akaiky amin’ny OIT na ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa . Ireo miasa sy miantsehatra amin’ny fanamboarana na fananganana foto-drafitrasa goavana no tena voakasik’izany raha ny fantatra. Manoloana io tranga io dia mpiasa miisa 76 eo anivon’ny Ministeran’ny asa vaventy no nomena fiofanana momba ny fiarovana ny aina sy ny fitandremana tokony hatao ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana mampihena ny tahan’ireo mpiasa mamoy ny ainy am-perin’asa eto amintsika.
Pati
Legende : Anisan’ny asa goavana ilan’ny mpiasa fitandremana ny asa fanamboaran-dalana tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Nisakafo tamina toerana fisakafoanana iray teo Mahamasina, toerana malaza be izay,

Card image cap
25-juin-2025

Miitatra ny loza mahatsiravina ateraky ny sakafo tratry ny fahapoizinana. Tao anatin’ny 10 andro,

Card image cap
25-juin-2025

Nizara fanomezana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe ny

Card image cap