airtel

Sosialy

15-sept-2023

Mpiasa sy tontolon'ny asa

Potika noho ny olana mianjady amin'ny firenena

Sample post image

Matoa ny sendika tonga amin’ny fitokonana dia tsy nahitam-bokany ny fifampidinihana amin’ny mpampiasa na mpitondra,

15-sept-2023

hoy ny teo anivon’ny Randrana sendikaly omaly. Mankahery ny sendikan’ny mpiasan’ny vola sy tetibola ary ny rehetra izay hanao fitokonana ny Randrana sendikaly, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Misy zo sy tombontsoa voakitika ao matoa tonga amin’izany. Ny lalàna no tena hianteheran’ny sendika satria ny sendika tsy fikambanana tsotra ka hoe fehezina hitsivolana fotsiny. Ny taona 2018, nisy tsy fanarahana lalàmpanorenana nataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Nidina teny amin’ny 13 may ny hetsiky ny depiote 73 ary isan’ny nandray anjara tamin’izany ny Randrana sendikaly satria nisy fanitsakitsahana lalàna. Aty amin’ny sehatry ny asa ianao izany rehefa manitsakitsaka lalàna dia misy fampiakarana filankevim-pitsipika na CODIS ny orinasa. Mpiasam-bahoaka ilay mpitondra. Tapa-kevitra ny sendika hampiakatra azy CODIS ka dia hoe “licenciement sans préavis” na fandroahana tsy misy hatak’andro izany no mendrika azy tamin’izany. 5 taona aty aoriana, niverina ilay zavatra! Io fa hitantsika hoe misy tsy fanarahan-dalàna mivoaka avy ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Eny anivon’ny loholona koa misy. Eny anivon’ny filatsahan-kofidiana koa. Misy lalàna manan-kery tsy voahaja anatin’izay rehetra izay. Ny solombavambahoaka tamin’ireny izany tokony hitsangana izao! Izay no mahatonga ny Randrana sendikaly miara-mamolavola sy manohana ny hetsiky ny firaisamben’ny sendika na FSMM amin’izao fotoana izao hoe andao isika sendika rehetra hivondrona hanoherana ny tsy fanarahan-dalàna miseho rehetra. Atao eny Ankatso ny sabotsy izao moa izany izay hetsika izay. Isika mpiasa mihitsy no tokony handray an-tanana ny fampivoarana ny fiainantsika eto amin’ity firenena ity. 63 taona, Repoblika 4 no nifandimby, filoham-pirenena maro. Ny mpiasa sy tontolon’ny asa foana no potika. Afaka nanao zavatra aza moa ny praiminisitra fony mbola praiminisitra fotsiny mainka fa izao lasa filoham-pirenena mpisolo toerana izao. Tsy misy ianteherana aminy. Fotoana fohy izy no eo. Fifidianana no heritreretiny raha hiheritreritra izy. Izay fahatsapana tsy fisiana azo ianteherana izay satria ilay olona aza mipetraka anaty tsy fanarahan-dalàna no antony nahatonga ny hetsiky FSMM. Potika miaraka amin’ny firenena foana ny mpiasa sy ny tontolon’ny asa. Mitotongana izy izao ary faha 5 amin’ireo firenena mahantra isika, hoy hatrany ny Randrana.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap