airtel

Sosialy

09-févr-2024

Mpiasan’ny CUA

An-jatony noroahiana, ny karama janoary tara ny sasany

Sample post image

Raha ny fako sy ny loto tsy voaroaka no isan’ny malaza mikasika ny

09-févr-2024

Kaominina Antananarivo Revivohitra na ny CUA, dia miverina na mitohy angamba no azo ilazana azy ny olana mahazo ireo mpiasa. Raha ny loharanom-baovao, mpiasa sokajy ECD (Emploi de Courte Durée) miisa 247 no tratry ny fandroahana, ary misy vitsivitsy voalaza fa efa naverina avy eo. Hatramin’ny omaly atoandro ihany koa dia mbola tsy voaray ny karama volana janoary ho an’ny mpiasa sasany, raha ny loharanom-baovao. Manambana ny hitroatra ireo mpiasa raha tsy azo hatramin’ny anio 09 febroary ny karama, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Misy ihany koa anefa ireo noroahina miezaka ny ho tony sy mandady rariny mba hahafahana miverina manohy ny asa satria tena ao anatin’ny fotoan-tsarotra no isehoan’izany. Miantso ny mba hijerena azy ireo noho izany ireo mpiasa eo anivon’ny CUA eo anatrehan’ny olana mahazo azy ireo. Midika izany, fa misy olana ara-bola eo anivon’ny kaominina. Hatramin’izao rahateo tsy voatendry ny Filohan’ny delegasionina manokana na PDS, taorian’ny nanendrena ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ho Minisitry ny fanajariana ny tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap