airtel

Sosialy

06-oct-2022

Sosialy

Mpiasan’ny INSTAT Miantso ny filoham-pirenena hamaha ny olany

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Anosy omaly ny sendikan’ireo mpiasan’ny fikirakirana antotan’isa eto Madagasikara na “contractuel INSTAT”

06-oct-2022

fa noho ny fisian’ny tsy fitoviam-pitondrana ireo mpiasa nanomboka ny 2020 ao amin’ny INSTAT dia manao izao fanambarana izao miaraka amin’ny sendika na SPDPS izao izy ireo. Iray volana anio, hoy izy ireo, (TTF: mantsy ny omaly) no nanaovanay fitokonana, nizakanay ny mangidy indrindra teo amin’ny fiainanay satria raha nitaky ny fandoavana ny CNaPS manontolon’ny mpiasa voakasika izany, nanomboka ny taona 1996 hatramin’ny 2018, ny fitovian’ny karama, tambin-karama, fankasitrahana ho an’ny mpiasa rehetra ato amin’ny INSTAT satria ny asa atao dia mitovy tanteraka. Ireto kosa no navalin’ny mpitantana. Fanaovana fanadihadiana amin’ny fandroahana ny mpiasa mitokona miisa 32, fanesorana ny sora-baventy tsy nisy fampilazana sy fifampiresahana aminay sendika sy mpiasa. Fampihorohoroana sy didin-ko fehy lehibe ary ramatahora no iainan’ny mpiasa “droit privé” amin’izao fotoana izao. Tena tsy mazava ny fitantanana ato amin’ny INSTAT satria ireto avy no trosany amin’izao fotoana izao; ho an’ny mpiasa ato amin’ny INSTAT, latsakemboka CNaPS nanomboka ny taona 2020 ho an’ny mpiasa miisa 171. Ho an’ny tsy mpiasan’ny INSTAT, ny tambikarama 30%n’ny tambikaraman’ny mpanao fanadihadiana EPM sy ny karaman’ny mpiasa nanao ny fanontana EPM nandritry ny 4 volana ary tena mitaraina mafy izy ireo hatramin’izao ary no matahotra ihany koa. Hitanay fa betsaka tokoa ny vola miditra sy omen’ny fanjakana ny INSTAT fa ny mpitantana no tsy manana finiavana hamaha ireo olana misy ato amin’ny toeram-piasana izao. Ireo mpiasa ho roahana ireo dia efa niasa nandritry ny 10 taona fara fahakeliny ary 30 taona mahery farany ambony tato amin’ny INSTAT, hoy hatrany izy ireo. Miantso ny fitondram-panjakana moa, indrindra, ny filoham-pirenena, hamaha ny olany ireto mpiasan’ny INSTAT ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap