airtel

Sosialy

30-août-2021

Sosialy

Mpiasan’ny Kraoma “Omeo poizina izahay ho faty rehefa tiana hovonoina”

Sample post image

Tsy mety mivaha ny olan’ny orinasam-panjakana KRAOMA na Kraomita Malagasy ao Brieville, izay efa 2 taona izao no voalaza fa tsy nandray karama ny mpiasa.

30-août-2021

 Mitaky ny zony sy ny valin-kasasarany, saingy fandroahana no setriny. Vao ny herinandro teo no nametraka fitoriana teny amin’ny mpanara-maso ny asa na “inspection de travail” ny mpiasa sy ny randram-bao sendikaly noho fandroahana ny naman’izy ireo miisa 35. Manamafy ny fitakiany amin’ny hanomezana karama sy hiodinan’ny orinasa ireo mpiasa manodidina ny 500. "Omeo poizina izahay ho faty haingana rehefa tiana hovonoina", hoy ny sora-baventin’ireo mpiasa, izay maneho ny alahelony. Tsy afa-miodina ny orinasa rehefa notapahana ny fiaraha-miasa tamin’ny Rosiana. Tale Jeneraly mpisolo toerana no notendren'ny mpitondra roa taona lasa izay, nolazaina fa ny Rosianina izay nampidirina no hiara-hiasa amin'ny orinasa izay mpitrandraka Kraoma, ka izy ireo no andoa ny karaman'ny mpiasa. Tsy arakaraka izay anefa no niseho. Na ny karama tsy nisy voaloa, ny orinasa tsy nisy solika nentina niasa, ny fiara vaventy tsy nisy voaloa ny vola fanofana azy, nikatso tanteraka ny fitrandrahana. Nanomboka ny fitokonana, natao daholo ireo dingana fanatonana ireo mpitantana, fa toa rano natoraka andamosin'ny gisa hatrany. Nisy ireo soso-kevitra anarenana ny orinasa natolotr'ireo mpiasa ambony eo anivon'ny Kraoma, hampandehanana ny orinasa, ary hitrandrahana ireo fananan'ny Orinasa, toy ny fitrandrandraha volamena any Betsiaka, izay misy tahiry 500 taonina, izay fahazoan-dalana an'ny Kraoma, nefa dia nomena ny Sinoa ny mitrandraka ao. Nifandimbiasan'ny mpandraharaha manodidina ny fitondrana hatrany ny mitrandraka ny harem-pirenena ao, nefa ny orinasa dia miala aina, miaraka amin'ny mpiasa an-jatony maro. Taty aoriana dia nomena ny Karana indray ny hitrandradraka ny toeram-pitrandrahana izay fananan'ny Kraoma, tsy hita popoka avokoa ny tambin'izany ho an'ny orinasa. Nisy ireo mpiasa sasany nomena karama 3 volana, maro ireo tsy nahazo, hoy ny ampaham-baovaon’ny GasyPariote omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap