airtel

Sosialy

04-nov-2021

Sosialy

Mpiasan’ny SECREN Antsiranana Mitaky ny fialan’ny Tale Jeneraly Ntsay Abel

Sample post image

Nangotraka ny grevin’ny Mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navale ) any Antsiranana ny talata teo.

04-nov-2021

Nilaza ho leo ny fampantenana poak’aty sy ny fandrirarirana satria roa volana tsy nahazo karama, ka tonga hatrany amin’ny fitakiana ny Fialan’ny Tale Jenealin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel. Tsy mbola nandray karama ny mpiasan’ny orinasa SECREN ao Antsiranana, roa volana taorian’ny fihaonana ny 06 septambra lasa teo amin’ny Solontenan’ny mpiasa, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria Edgard Razafindravahy, hoy ireo mpiasa. Notsiahivin’izy ireo mantsy, fa neken’ny Tale Jeneraly ny fandoavana karama isam-bolana avy amin’ny orinasa mitohy, ary ny Fanjakana kosa no handoa ny karama tany aloha mbola tsy voahefa mandeha 50% isaky ny mandoa. Nisy ny fifanarahana tamin’ny 5 oktobra, ka mavandy aminay ny orinasa sy ny Tale Jeneraly, tsy noterena izy nanaiky izany, hoy ireo mpiasa. Sahirana ny mpiasa, sahirana ny vady aman-janaka,… Tsy maty tanteraka fa mbola mahavita miodina, afaka mamelona ny mpiasa ny orinasa, hoy izy ireo. Milaza ho ampifilafilaina lava ireo mpiasa. Tondroin’ny sendikan’ny mpiasa ho tsy mahavita, tsy mahatondra, ka tokony hametra-pialana ny Tale Jeneraly Atoa Ntsay Abel. Izahay tsy mahazo karama, tsy mahazo zo,… io anefa misy “caisse noire” misy fanodinkodinam-bola izany ao, hoy izy ireo, izay milaza fa ramatahora no azo, voaantso any amin’ny polisy sy ny zandary vao miteny,… Nangotraka anefa ny fitakiana ny talata teo, tsy nihambahamba niantsoantso ny fanesorana an’Atoa Ntsay Abel, izay marihina fa rahalahin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap