airtel

Sosialy

18-mars-2024

Mpiasan’ny SMA

« Avoahy ny namanay, Aloavy ny karamanay ! »

Sample post image

Taorian’ny fikomiana noho ny fahatezeran’ireo mpiasan’ny

18-mars-2024

SMA (Société Municipale d’Assainissement) ny zoma teo, dia notohizan’izy ireo ny andron’ny sabotsy ny fitakiany, na teo aza ny fanambaran’ny ben’ny tanàna Ramanambitana Richard fa ny talata izao farafahatarany no azo ny karama, ary tsy maintsy handraisana fepetra ireo nambara fa nanao asa fanakorontanana. Manamafy ny fitakiana ny fandoavana ny karaman’izy ireo izay nambara fa tsizarizary an-taonany maro ireo mpiasa, ary nitaky ny famoahana tsy misy fepetra ireo naman’izy ireo miisa 4, izay nosamborina tamin’ny zoma. Nilaza ireo mpiasa fa tsy mbola navotsotra ny iray tamin’ireo mpiasa, izay voatazona any amin’ny Polisin’ny FIP. «Mampalahelo anay raha ny karama izay hatsembohanay no takianay kanefa dia izao ny mpitandro ny filaminana miandry anay. Ireo mpiasa izay nitaraina fa betsaka no niharan’ny herisetra, nodakadakana,… kanefa ny zony notakiany. Mbola nihantsona teny amin’ny Mikoja Foiben’ny SMA moa ireo mpitandro ny filaminana maro be ny sabotsy teo. « Malahelo izahay satria ny PDS nanao fanambarana tsy mba vahaolana mikasika ny karamanay no teneniny fa resaka hoe : misy mpikaraman’ady aminay, ka ianao PDS no angatahanay, niteny ianao tamin’ny 4 martsa hoe : amin’ny 7 martsa ny karama, ary tonga tato ny filoham-pirenena tamin’io. Hatramin’izao anefa 16 martsa tsy mbola misy karama, ary karama febroary io teneninay io ». « Mangataka hatramin’ny farany ny handoavana ny karamany sy ireo fotoana ary karama tapatapaka tao anatin’ny 3 taona izahay », hoy hatrany ireo mpiasan’ny SMA. Miantso ny mpitantana mba ho tonga saina ireo mpiasan’ny SMA izay tsy nitsitsy fitenenana sy nametra-panontaniana hoe : izao ve ilay Antananarivo tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique