airtel

Sosialy

19-mars-2024

Mpiasan’ny SMA

« Iza no mihinana ny OSTIE sy CNaPS anay 50 tapitrisa Ar eo ? »

Sample post image

Ny mpiasa migrevy fa tsy mahazo karama, ny orinasa anefa notorian’ny Jovena

19-mars-2024

tamin’ny zoma teo ka manana vola nomena an’io orinasa io fa tsy manome ny karaman’ny mpiasa mangana manadio ny tanàna », hoy Atoa Rakotondramanana Jimmy Délégué de Syndicat sady delegen’ny mpiasa eo anivon’ny SMA na « Société Municipale d’Hygiène) omaly. Karama roa volana no tsy voaloa, karama janoary sy febroary no tokony horaisina satria misy taraiky foana. Tsy nisy navela niteny raha tonga tety ny filoham-pirenena ny 04 marsa teo. Ny hofan-trano tsy voaloa, ny jiro tapahan’ny jirama, lisitra mainty any amin’ny banky, ny mpianatra hanala fanadinana kanefa tsy misy vola. Miantso ny hiverenany amin’ny Minisitera, hoy ny mpiasan’ny SMA. Nanaitra ny Minisiteran’ny rano sy ny fidiovana, Minisiteran’ny asa, Minisiteran’ny mponina, Minisiteran’ny vola nangataka mba hijery azy ireo sy hamaha ny olana ara-bola. Nomarihin’ireo mpiasa fa ny CNaPS sy OSTIE an’izy ireo dia efa 23 taona no tapaka, ny iray volana amin’ireo manodidina ny 50 tapitrisa Ar farafahakeliny ka iza izany no mihinana ireo volanay ? hoy hatrany Atoa Rakotondramanana Jimmy. Raha misy mpiasa tratry ny « mise à pied » dia tsy mahazo miasa 4 ka hatramin’ny 89 andro ka iza no mihinana ny karama ao anatin’izay ? hoy ny mpiasa. «Izahay mitolona, dia mody asiana gazoala ny fiara mba hilazana sy hanehoana fa miasa. Nandainga ny Tale, nasaina nandroaka fako faobe dia avy eo mandray karama kanefa tsy nahazo, hoy hatrany ireo mpiasa. Milaza tsy hiasa izy ireo raha tsy voaloa ny karama satria tsy afaka miasa raha tsy noana. Ireo miasa amin’izao izay hita amin’ny kamio vitsivitsy dia olona tsotra ivelan’ny SMA karamaina isan’andro manao HIMO (Haute Intensité de Main d’œuvre). Manana andoavana vola an’ireo kanefa ny anay tsy aloha, izay efa fanaovana tsinontsinona sy famonoana anay, hoy ireo mpiasan’ny SMA izay nanamafy fa tsy hiasa raha tsy azo ny volany. Asa izay ho setriny anio izay fifaranan’ilay 72ora nofaritan’ny PDS ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap