airtel

Sosialy

05-mai-2025

Mpifankatia tsy ampy taona niara-nitsoaka

Nisy nahita mihazo an’Ankadimbahoaka

Sample post image

Rehefa niara-tsy hita nandritry ny fotoana maro dia nisy nahita teny Ambohitsoa Mahazoarivo

05-mai-2025

ny mpifankatia tsy ampy taona niara-nitsoaka niala ny fonenan’izy ireo ny tolakandron’ny sabotsy teo. An-dalana mihazo an'Ankadimbahoaka no fahita azy ireo, hoy ny nitatitra ny vaovao tamin’ny rain’ilay zazavavy, 16 taona antsoina hoe Rianala. Niangavy ireo eny amin'ny manodidina an’Ambohitsoa, Mahazoarivo, Androndra, Ankadimbahoaka, Fasan'ny karana, noho izany, ilay raim-pianakaviana hampandre raha mahita ireto mpifankatia lahy sy vavy tsy ampy taona niara-nitsoaka ireto. Ny marainan'ny Alarobia 30 aprily teo, raha efa lasa naterina nianatra i Rianala no nandalo tao an-trano io bandy io nitady azy, hoy ny fanamarihan’ny fianakavian’ity tovovavy ity. Tsy nianatra io bandy io ny Alarobia maraina. Rianala kosa mbola tany am-pianarana. Ny atoandro dia niara-tsy hita ry zareo. Fohifohy, 1,50 metatra i Rianala, fotsy fihodirana ka mora fantatra. Ilay bandy kosa 1,65 metatra. Raha hitanareo re ity ry izy roa dia modia fa tena mimpenimpenina ny ray aman-dreninareo. Milavo lefona izy. Tena mampalahelo, hoy hatrany ny fitarainana! Andrasana, araka izany, ny fanampim-baovao fanampiny mikasika ity tranga ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny tsangambaton’ny FISEMARE na Firaisamben’ny

Card image cap
30-mai-2025

mitsangana handrodana rehefa feno ny kapoaka

Card image cap
30-mai-2025

Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,

Card image cap