Anisan’ny antony tsy mampaharisika ireo mponina hijanona any Atsimo ny tsy fisian’ny rotsak’orana. Toraka izany ihany koa ny asa fivelomana ka aleony mamonjy toeran-kafa. 100.000 Ar isan’olona no saran-dalana tsy maintsy tadiavin’izy ireo amin’izany tsy misy sakafo fa mihafy hatrany eny an-dalana raha zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroany. Tsy mora ho an’ny faritra Boeny araka izany ny mandray ireto mpifindra monina ireto. Maro mantsy ireo zavatra efa nopotehin’izy ireo tany an-toerana hoy ny governor Mockatr Salim. Anisan’ireny ireo ala amin’ny velaran-tany 3 000Ha izay tantanin’i Madaconsult ‚ raha toa ka mbola ala mikitroka izany tamin’ny taona 2010 hatramin'ny 2013.Marihina moa fa nanokanana velaran-tany 117ha ‚ hambolena katsaka ‚ mangahazo ‚ zana-kazo fihinam-boa ... izy ireo. Hisy ny fampiofanana omena azy ireo. Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpifindra monina !
Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.
Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,