airtel

Sosialy

18-mars-2022

Sosialy

Mpikirakira ny taratasim-panadinana “Avoahy ny volanay, tsy misy miala eo”

Sample post image

Mitaky tsy misy hatak’andro ny fandoavana ny karamany « vacation » 2021 ireo mpiasa « vacataire non-fonctionnaire » nikarakara ny valopim-panadinana sy ny taratasim-panadinana CEPE sy BEPC.

18-mars-2022

 Ny alatsinainy 14 martsa lasa teo no nanao hetsika teny amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana izy ireo, ka nanome fe-potoana 48 ora. Tapitra ny fe-potoana, ka manahy izahay fa tsy ho azo intsony satria tamin’ny 2020 dia efa fitakiana be vao azo, hoy ny fampahatsiahivana. Mitohy noho izany ny fitakiana mandra-pahazon’izy ireo ny volany. “Ho an’ny BEPC dia 120 eo no mbola tsy nahazo, tokony hisitraka 700 000Ar avy, manome 84 000 000Ar. Miisa 130 kosa ireo nikirakira ny taratasim-panadinana CEPE izay tokony hahazo 800 000Ar isan’olona, manome 104 000 000Ar. Tsy fantatra hoe: nankaiza ny vola tokony ho azy ireo, izay 188 tapitrisa Ar eo, ka aloavy amin’ny alalan’ny “bon de caisse” ny volanay, fa aza atao “éspèce” satria misy zavatra maro tsy mazava, hoy Rakotoarison Johnas Edwin mpitondra tenin’ireo mpiasa tsy nahazo vola. Vantan-karama iny, fa ny sakafo tokony nohanina nandritra ny fikirakirana ny taratasim-panadinana naharitra 45 andro tsy azo, noterena nanasonia sakafo maraina sy hariva kanefa ny atoandro ihany no nihinana ka nankaiza ny vola ? hoy izy ireo. Nisy fianianana ka voatery nanasonia tany amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique). Tsy nisy sakafo anefa tany amin’ny CNAPMAD raha tsy dimy andro nialohan’ny CEPE, ary fito andro talohan’ny BEPC. Raha nanao hetsika ny alatsinainy teo, dia nosamborina ny namana roa, nofitahana an-kolaka, natsofoka tao anaty fiara nentina tany amin’ny haino aman-jery, nampandainga anay hoe: efa nivoaka ny vola, ka mbola tsy nisy vola nivoaka izany, miantso famahana olana, hoy izy ireo. Hitondra ny raharaha eny amin’ny sampana miady amin’ny kolikoly izy ireo, izay nanamarika fa vao manomboka ny tolona. Ny mpiasam-panjakana efa nahazo, nisy ampahany “non-fonctionnaire” efa nahazo, rehefa mivoaka ny “vacation” dia vola iray ka nankaiza ny volanay? hoy ireo mpiasa.

Toky R

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Card image cap