13 taona no zandriny indrindra amin’izy ireny izay marihina fa miaraka amin’ny namany maromaro. Trano iray ihany no hofain’izy ireo ka io no hifandimbiasany handraisany ireo mpanjifany. Manomboka amin’ny 15.000 Ar ny adin’ny iray ka hatramin’ny 40.000 Ar eo ho eo. Amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo no mamoaka sary manaitaitra ireo lehilahy sendra mahita izany. Misy mahavita miboridana mihitsy aza ny sasany ka ny endriny sisa no takonany. Rehefa tonga ao amin’ilay toerana hatoron’izy ireo ilay lehilahy hanjifa azy dia hanontaniany ny anaran’ilay vehivavy nampiresaka azy tamin’ny Facebook ka izay no hahafantaran’ny tsirairay ny mpanjifany. Raha araka ny fantatra moa dia efa roa taona teo ho eo izay no nampirongatra ity asa fivarotan-tena amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ity. Saika ahitana azy ireny avokoa ny faritra maro eto an-drenivohitra ary mbola mpianatra ny ankamaroany.
Pati
(Sary fanehoana)