airtel

Sosialy

19-sept-2023

MPIVARO-TENA ENY AN-DALAMBE

Miaiky fa resin’ireo mpisera amin’ny Facebook

Sample post image

Toa ny asa rehetra dia tsy mitsaha-mivoatra ihany koa ny asa fivarotan-tena ankehitriny indrindra fa ho an’ny vehivavy.

19-sept-2023

Na dia voasokajy ho asa antitra indrindra aza izy ity manerantany dia mihatanora kosa raha ny fahaizan’ireo tanora tovovavy milalao azy mba hanomezana hafinaretana ny nofo. Anisan’ireny ny asa fivarotantena ho an’ireo misera amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Tsy mila mivoaka ny trano akory izy ireo fa mandefa sary manaitaitra sy mametraka laharam-pinday dia tonga ireo te-hanjifa azy. Tsy vitan’izay fa efa maro amin’izy ireny no efa manana trano vonona. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana ohatra dia misy andiana tovovavy miisa 4 izy ireo no mikambana ary manofa trano lafolafo. Mifandimby izy ireo isaky ny mahazo lehilahy iray ka samy mandoa ny anjarany rehefa tonga ny faran’ny volana. Mbola mpianatra ny ankamaroan’izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao saingy noho ny fahantrana dia lasa manaotao foana. Mahatsiaro no resin’izy ireny tanteraka ireo mpivaro-tena eny an-dalambe noho izany. Tsy dia misy manjifa firy intsony mantsy izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao indrindra fa amin’izao fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra izao. Maina tanteraka ny tsena hoy ny Renim-pianakaviana iray noho ny hamaroan’ny mpifaninana izay efa tena avo lentabe avokoa. Ho an’ireo tovovavy efa manana fomba fiasa manaraka ny toetr’andro moa dia fantatra mitondra 30.000 Ar isan’andro mody izy ireny raha kely. Fa mahavotra aina mba hividianana fanafody tokoa ve izany vola azon’izy ireny raha toa ka sendra olona manjifa azy tratran’ireny areti-mandoza SIDA na hepatite B ireny izy ireny ?
Pati
Legende : Tsy dia mahazo vola firy intsony ireo mpivaro-tena eny an-dalambe amin’izao !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap