airtel

Sosialy

10-janv-2022

Sosialy

Mpivarotra ambony « trottoir » Angaha tsy efa izao no nanenjehana ny teo aloha ?

Sample post image

Raikitra ny fanoritsoritana làlana mba hametrahana mpivarotra hivarotra eny ambony “trottoir” izay tokony ho an’ny mpandeha an-tongotra,

10-janv-2022

 ataon’ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo tarihin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina. Isan’ny nanenjehana mafy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny i oteo Analakely, fony ity farany nanoritra nyy árabe mba ahafahan’ireo mpivarotra amoron-dàlana. Miverina anefa izany ankehitriny ka aiza ny vava be natao sa rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo fa rehefa ny tena dia voromanga? Tamin’izany nolazaina fa mpanome vahana ny tsy ara-dalàna, vao tonga teo tao anatin’ny krizin’ny coronavirus, tsy nijerena fiainan’olona sy fiveloman’olona fa raikitra hatramin’ny fandrodanana tsena koa nahoana amin’izao no miditra amina zavatra tsy manjary manome vahana ny tsy ara-dalàna? Mila hanaka-danitra ny vavan’ny Rtoa iray izay minisitra tao anatin’ny governemanta fony ny Fitantanan-dRtoa Lalao Ravalomanana ny tanàna tamin’io resaka fanoritsoritana ny “trottoir” sy ny làlana hivarotana io, ka asa hiteny sa hoe: rehefa ny namanay no manao tsy olana fa Rtoa Lalao Ravalomanana mihitsy no tsy tianay tamin’ireny? Sa ankehitriny efa miova ny tarigetra ka izay ahazoana vola mety daholo ? Mahamenatra .
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap