airtel

Sosialy

15-oct-2021

Sosialy

Mpivarotra asa tanana -Ambohitrimanjaka Nikatona noho ny Covid 19 ny 90%

Sample post image

Ny 90%-n'ireo mpivarotra sy mpanao asa tanana eny amin'ireo trano eva eny Ambohitrimanjaka no nikatona noho ny valanaretina Covid 19, raha ny fampahafantarana voaray. Misedra olana maro izy ireo.

15-oct-2021

 Ohatra amin'izany ny tsy fahatongavan'ny vahiny, ny tsy fahafahana mandefa any ivelany ireo asa tanana vita amin'ny hazo sarobidy efa voaodina. Eo koa ny tsy fahampian'ny akora fototra. Tetsy an-daniny, ny minisitry ny asa tanana sy haitao, Sophie Ratsiraka, dia nilaza fa misy ireo lalàna tsy maintsy hiarahana midinika amin'ireo ministera isan-tsokajiny hamahana ny olana. Nohamafisiny anefa ny tokony hambolena ireo akora fototra fa tsy hitango sy handripaka azy ireny fotsiny mba hisy ho lovain'ny taranaka any aoriana sy handovan'ireo zanaky ny mpanao asa-tanana ny asan'ny ray aman-dreniny teo aloha. Fohy loatra ny fotoana nitafàny tamin'ireo mpanao asa-tanana teny amin'ny "digue Ambohitrimanjaka" ka nilaza ny tenany fa mbola hiverina eny an-toerana hifandinika lalina, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap