Raha araka ny fantatra mantsy dia ny 13,93% amin’ny mponina voakasik’izany monja no nandoa ny anjara hetrany tamin’ny taona 2021, hetra notakiana tamin’ny taona 2023 lasa teo. 0,01% kosa no nanefa ny hetrany taona 2022 izay mbola notakiana tamin’ny taona 2023 lasa teo ihany koa. Tsy nitaky hetra mihitsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny taona 2020 sy 2021, raha araka ny vaovao azo noho ny hamehana ara-pahasalamana. Ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ny tsirairay no voalaza fa anton’izany. Ankehitriny hoy ny tompon’andraikitry ny kaominina tsy maintsy manatanteraka ny asany amin’izay izy ireo. Ny hetra miditra no mampihodina ny tanàna hoy izy ireo hahafahan’ny Kaominina miasa sy manatanteraka ny asa andavanandrony. Manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo izy ireo araka izany mba hanefa ny adidiny araka ny tokony ho izy.
Pati
Nilanja sora-baventy tetsy Anosy omaly ireo mpivarotra manodidina iny radiom-pirenena iny.
Mivaralila tanteraka ny famatsiana herinaratra sy rano ao amin’ny boriboritany fahatelo
Mahazo vahana tanteraka ny fisaraham-panambadiana eto amintsika.