airtel

Sosialy

04-mai-2022

Sosialy

Naivo Raholdina “Ny vaomieranay no naharaisana fitarainana be indrindra”

Sample post image

Tonga ity, hoy ny depiote Naivo Raholdina, ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny antenimieram-pirenena ka izaho filohan’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany sy fitantanana ny fananan-tany eto amin’ny antenimieram-pirenena sady

04-mai-2022

 filohan’ny vaomiera mpanadihady ny aditany miverimberina eto Madagasikara dia manao fanambarana aminareo mpanao gazety rehetra fa nandritra izay nanelanelana ny fivorianay izay, amin’ny vaomiera miisa 32 eto amin’ny antenimieram-pirenena, dia teto amin’ny vaomieranay no naharaisana fitarainana be indrindra. 500 isa mahery izany, hoy izy, manerana an’i Madagasikara, ankoatry ny avy an’ny prezidansa sy minisitera samihafa. Ny dikan’izany dia ny laharam-pahamehanay amin’ity ankoatran’ny lalana hafa amin’ny kara-tany dia amoaka amin’izay izahay ny vokatry ny fanadihadiana parlemantera. Ho asehonay amin’izay fa hisy vokany io. Manao antso amin’ny filohan’ny SMM izahay fa hainay ny asana depiote. Tsy izy no hanome lesona anay. Marina fa tanora herotrerony izy ary tsy haiko na tapohan’ny nitarika sendika fa ny 75%, azonareo hamarinina ao amin’ny varavarana voalohany, dia resaka aditany amin’ny tribonaly. Didim-pitsarana miangatra. Ho anareo mpanao gazety koa avaho ny heloka an-gazety sy ny kolikoly. Misy mpanao gazety voatory ao amin’ny PAC sy BIANCO ho nanao kolikoly niaraka amin’I Raissa. Naivo Raholdina madio ary tsy manana dosie any amin’ny PAC sy BIANCO fa nanao tatitra tany ary dia MD fanindroany indray izao ilay Raissa. Hanao tatitra amin’ny filohan’ny repoblika, ny praiminisitra, ny minisitry ny fitsarana izahay ary ho avoakanay daholo ny anarana hoe ireto ireo mpitsara voatonotonona ao. Efa misy mpitsara amin’ny raharaha Fenoarivo nakana alalana hanenjika na “ordre de poursuite” any amin’ny BIANCO sy PAC. Tsy hanaiky intsony ny fiarovana fahatany ataon’ny filohan’ny SMM ireo mpitsara izahay. Ny marina no avoakanay mba tsy hisian’ny aditany miverimberina intsony. Hivoaka amin’ity koa ny raharaha Antanandrano, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap