airtel

Sosialy

22-sept-2021

Sosialy

Nanakiana mafy ny JIRAMA ny Depiote Fetra Ny mpanjifa ve no hanentsina ny tsy fahaizanareo mitantana ?

Sample post image

Rediredy no tena betsaka ataon’ny fitondram-panjakana tarihin’I Andry Rajoelina, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy,

22-sept-2021

 Fetra Ralambozafimbololona na depiote Fetra. Iray ao anatin’izany, hoy izy, ny JIRAMA fa ny fomba fitantanana ankapobeny ny firenena mihitsy no tsy mifanaraka amin’izay hoe fanjakana tsara tantana sy tan-dalana izay. Izay tandrifin’ny lohany ihany nefa iaraha-mahalala fa tsy ampy ny fahalalan’izany filoham-pirenena izany. Ekena fa misy mpanolontsaina manodidina azy nefa izay tandrify sy tiany ihany no ataony. Haka ohatra iray ny JIRAMA aho. Orinasam-panjakana io. Tsy tokony hitady tombony io fa hanompo vahoaka. Izany hoe manome tolotra na “service” amin’ny resaka famatsian-drano sy herinaratra. Ny fanjakana no manendry izay ho mpitantana azy. politikam-panjakana foibe no arahany. Ny olana mampitaraina ny vahoaka izany tsy fahatomombanan’ny tolotry ny JIRAMA izany ohariny amin’ny vola alohany tsy mifanaraka amin’izay. Maninona no orinasa libanaise, ohatra, no asaina mampiroborobo ilay rafitra? Maninona no orinasa senegaly ihany koa no asaina mamolavola ny rindrambaiko? Tsy misy manam-pahaizana Malagasy afaka mahavita tsara izany ve? Ny fitarainana voarainay solombavambahoaka dia ny momba ny resaka faktiora. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna misy ny hoe maninona no asaina manao “auto-relévé” ny mpanjifa? Nankaiza ny mpiasan’ny JIRAMA? Ny zava-misy anefa dia tsy raisiny iny ho an’olona maro. Raha nandany 30 m³ tamin’ny rano ohatra ianao ny volana oktobra dia nandany 40 m³ ny janoary dia mitambatra ireo aty aoriana aty fa tsy nohesoriny akory na dia efa voaloha aza ilay 40 m³. Toy izany koa ny jiro. Mitambatra iny rehefa aty aoriana. Ny tena mampikaikaika ny olona dia lasa any amin’ny “2eme tranche” izay avo 3 heny ny vidiny. Ianareo no tsy te handefa faktiora isam-bolana sy tsy te hanao “relévé” toy ny fanaonareo nefa anjaranareo no tokony nandefa ny mpiasanareo isan-tokantrano fa aza atao fialana ny fihibohana fa misy kajy masiso ao! Efa nisy 380 miliara ariary tamin’ny lalàna mifehy ny tetibola farany teo ho entina hanetsemana ny banga sy ny tsy fahaiza-mitantanareo. Efa nakorontanareo sy nataonareo tantely afa-drakotra ny fananan’ny JIRAMA. Ny tatitra ny banky iraisam-pirenena no naneho fa efa nahatsangana JIRAMA miisa 3 nanomboka tany amin’ny fanonganam-panjakana nataonareo tamin’ny 2009 ny vola natsentsina satria fatiantoka iray lavaka no tao. Ny mpanjifa ve no hanentsina ny tsy fahaiza-mitantanareo? Tsy hita isa no fitarainana voarainay ny sabotsy teo fotsiny teny Soavimasoandro. Ny orinasam-panjakana ankapobeny mihitsy no toy izany. Ny Kraomita hatrany amin’ny TAFITA manana olana nefa toa miodina ihany? Mahazo ny karama sy tambin-karamany daholo ny mpitantana satria miodina ihany ilay izy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap